Etoana ihany koa no isaorako an'i Andriamatoa Emile,@ fampahafantarana ny isan'ny malagasy izay monina any S-peterbourg , hoy izaho hoe:"Andriamanitra ny fiadanana anie no hitahy ny asa sy ny fianara izay ataonareo any,ka dia tsy hisy sakana anie izany,ny mpianatra,mba ho lohany @ zavatra rehetra ataon'izy ireo,ary ny mpiasa hambinina ka hahita fitia eo anatrehan'ny mpampiasa sy ny olona izay ifaindaisanareo @zany asa izany." Efa tsara,ry Mr Emile ny fampahafantarana ny zava-misy ataonao,fa andrasana ilay fiaraha-misalahy amin'ireto mpanatontosa ireto bebe kokoa,avy any aminao sy ny Malagasy rehetra. Mampitondra famangiana hoan'ireo mpianatra sy mpiasa any aminareo aho. Misaotra tompoko.
Voangy
26-04-2009 16:49:00
ETOANA IHANY KOA NO IARAHABAKO ANAO RY RAMATOA OLIVIA.NOMEN'NY JESOA TOMPO FANOMEZANA SAROBIDY IANAREO MIVADY,kA ETOANA NO ISOLOAKO TENA NY MPAMAKY REHETRA TY SITE ITY HOE:"ARAHABAINA NAHAZO FARA SY DIMBY". TSY AFAKA NY HANOME ROM-PATSA IZAHAY NOHO NY HALAVIRAN'NY ANY AMINAREO,FA HOY INDRAY KOA IZAHAY ARAKA NY EFA VOASORATRY NY MPANANTONTOSA ITY SITE ITY HOE: ZANANTSIKA REHETRA IO,KA RAHA MISY MANAHIRANA DIA AMPAHALALAO NY TOMPON'ADRIKITRA ITY SITE ITY,FA VONONA KOA AHO NY HANAMPY ANAO.AZA HADINO,FA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA IO ZAZA IO,KA TOKONY HO TAIZANAO ARAKA IZAY ITIAVAN'ANDRIAMANITRA AZY. MOA VE AFAKA NY MANOME NY ADRESS MAIL-NAO AHY IANAO? VONONA AHO MANTSY NY HANORO HEVITRA ANAO,SATRIA IANAO DIA AZO LAZAINA FA MBOLA TANORA IHANY RAHA NY FITAIZANA NO LAZAINA. MAHAVITA FIANARANA TSARA IHANY KOA,ARY DIA MIVAVAKA HO AN'NY TOKATRANONAREO AHO,FA DIA MAHEREZA. IANGAVIANA IHANY KOA ISIKA REHETRA EFA MANAN-JANAKA MBA HANORO IZAY HEVITRA REHETRA AZONTSIKA ANAMPIANA IO ZANANTSIKA IO.MISAOTRA
Voangy
26-04-2009 16:34:00
Dia miarahaba antsika malagasy tsy vakivolo rehetra ny teneko."Izay mitambatra hono VATO,ary izay misaraka dia FASIKA".Andeha ary hiara-hanome tanana an'ireo mpanantontosa ity site ity isika rehetra,satria "NY SAIN'NY MARO MAHATAKA-DAVITRA",ary tsapa ihany koa fa ny Malagasy dia mahira-tsaina,ka izay saina ananantsika tsirairay izay mihitsy no andeha hanampiantsika azy ireo,satria dia ilain'izy ireo izany.Andeha hampaherezintsika izy ireo,satria tsy mora ny mahazo azy ireo,manoloana ny fotoana lanin'izy ireo eo ampikarakarana ny Site-ntsika. Noho ny fitiavana mba hampivondrona antsika izany rehetra izany,ka aoka mba tsy hojerentsika fotsiny ny ezaka efa misy,izay efa vitan'izy ireo,fa andeha isika rehetra hivondrona,hifandray tanana mba ho marik'ilay teny hoe :ny Malagasy dia mandala fihavanana. Andeha ary hasehontsika izany,Mba ho hery hoazy ireo,na amin'ny alalan'ny vavaka ho az'ireo izany,mba hanomezan'Andriamanitra fahasalamana,sy herin-tsaina ary hevitra tsara eo ampanantontosana.
voangy
17-04-2009 09:48:00
isaorana ny tompo nanome hevitra anao mr Ragaby,nampitambatra ny malagasy any aminareo amin'ny alalan'ity site ity,tsy nijanona ho any ihany izy amin'izao,fa na izahay aty lavitra aty koa dia mahalala ary mahita nymombamomba anareo any. Tsara ary tohizo ny fitiavanao ny tanin-drazanao. ny tompo anie,no hiaro ny malagasy rehetra any russie,ka ny mpila ravinahitra hahazo ravina betsaka,ny mpianatra tsy hadino,hahavita ny fianarany tsara,ka isika rehetra mba ho reharehan'ny madagasikara.
Mme Voangy